<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ch. Gabriel</author>
<hymn_number>697</hymn_number>
<title>Any ambony fonenana tsara FFPM697</title>
<lyrics>[V1]
 Any ambony fonenana tsara
 Dia tsy mba misy itseran'ny
 fo ;
 Eny iriko ho tsara miafara
 Hiara-manjaka aminao ry
 Jeso !
 Isaoranay ny Tomponay,
 Raha 'mby any dia faly
 tokoa ;
 Isaoranay ny Anaranao soa !

[V2]
 Rehefa tonga ilay andro
 malaza
 Izay hanatrehana Anao, ry
 Jeso !
 Izay no heveriko ho tena
 laza :
 Dia ny hidera Anao,
 Tompo ô !
 Isaoranay ny Tomponay,
 Raha 'mby any tsy mba ory
 koa ;
 Isaoranay ny Anaranao soa !

[V3]
 Ao izany havana tena malala
 'Zay mahafaly fa hita indray,
 Nefa izay hampifaly tokoa
 Dia ny mihaona aminao ry
 Jeso !
 Isaoranay ny Tomponay,
 Raha 'mby any tsy misy
 manjo ;
 Isaoranay ny Anaranao soa !</lyrics>
</song>